Vavaka ofisialy angatahana ny hananganana ho olomasina ireo olontsambatra 32, maty martiry tao Orange

3 août 2024

Vavaka ofisialy angatahana ny hananganana ho olomasina ireo olontsambatra 32, maty martiry tao Orange

Ry Tompo Andriamanitray O.

Ianao no nanome ny eglizy ireo Olontsambatra 32 izay martiry tao Orange.

Niaina ny fahasoavan’ny Batemy izy ireo

sy ny fanokanan-tena maha relijiozy

 tao anatin’ny fikatsahana mandrakariva ny sitraponao,

hatramin’ny nanomezany ny faratampon’ny fiainany

ka tsy nivadika tamin’I Jesoa.

Omeo anay ny faniriana lalina

dieny ety an-tany

 ny fijery mitodika makany amin’ny lanitra

Mba ahafahanay indray andro any,

miaraka amin’izy ireo,

midera ny famindram-ponao mandrakizay.

Ary noho ny fanelanelanan’izy ireo,

 no angatahanay aminao ny fahasoavana dia…(angatahana eto izay fahasoavana ilaina)……..

ao anatin’ny fanantenana hahita azy ireo tsy ho ela

ka hambara ho olomasina.

Amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay.

 

Imprimatur : Mgr Jean Pierre Cattenoz, Arsevekan’I Avignon, Le 08 desambra 2018

Hisaorana ianareo raha nahazo fahasoavana ka mampandre ny curé, na ny eveka eo an-toerana mba ahafahany mampita amin’ny : e-mail

 

Ireo relijiozy olon-tsambatra 32 maty martiry tany Frantsa ny 1794

Hatramin’ny nanombohan’ny revolisiona frantsay ny taona 1789, dia nisy lalana izay nolaniana ka nametraka ny eglizy ho eo ambany fitantanan’ny fanjakana, ary nanova ny pretra ho lasa mpiasam-panjakana manao fianianana ary nanafoana ihany koa ny fiainan-drelijiozy. Toa hadino hatreo fa ny eglizin’I Kristy dia sakramentam-pamonjena (LG 48) : nisy ireo mpikambany izay nanome an’I sezara izay an’I sezara, nefa koa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’ny 1792, ny voadin-drelijiozy no nofoanana. Tany atsimon’I Frantsa, tao amin’ny tananan’I Bollène sy ny manodidina azy, dia nisy relijiozy 42 izay noenjehina tao amin’ny trano fonenany. Ary nandritry ny 18 volana, tany amin’ny tranon’ireo fianakaviana, tany izy ireo no nifampizara ny fiainam-bavaka sy ny fahantrana manontolo.

Tamin’ny mai 1794 izy ireo no nosamborina sy natao an-tranomaizina tao Orange, ary noterena mba handa ny fianianana momba ny Fahafahana – Fitoviana izay notakian’ny fitondrana mahefa tao an-toerana tamin’izany. Fa araky ny feon’ny fieritreretany teo anatrehan’Andriamanitra dia nandà tsy nanao izany izy ireo.

Fa tao am-ponja kosa, ireo relijiozy izay marihina fa avy amin’ny fikambanana samihafa dia nifandamina sy nifanome fitsipim-piainana niombonana. Nandany ny fotoanany tamin’ny fivavahana izy ireo. Nandritry ny 20 andro, dia notarihan’ny vondron’olona vitsivitsy izy ireo hakeo anoloan’ny fitsaram-bahoana, ka nahatratra 32 no nohelohina ho faty ka notapahin-doha.

Ny 06 jolay ; Masera Marie Rose, benediktina

Ny 07 jolay, Masera Iphigénie de Saint Matthieu, maseran’ny Sakramenta masina.

Ny 09 jolay, Masera Sainte Melanie sy Masera des Anges, Orsolina

Ny 10 jolay, Masera Sainte Sophie sy Masera Agnés de Jésus, orsolina

Ny 11 jolay, Masera Sainte Pelagie, masera Théotiste, Masera Saint Martin, maseran’ny sakramenta masina ary i Masera Sainte Sophie, orsolina.

Ny 12 jolay : Masera Rose de Saint Xavier sy Masera Marthe du bon-Ange, maseran’ny sakramenta masina.. Masera Marie de Saint-Henri, sistersianina ary masera Saint Bernard, orsolina.

Ny 13 jolay Masera Madeleine, Masera Marie de l’annonciation, Masera Saint-Alexis, masera an’ny sakramenta masina. Masera Saint François sy Masera Sainte Françoise, orsolina.

Ny 15 jolay : masera Saint-Gervais, orsolina.

Ny 16 jolay : Masera Aimée de Jésus, Masera Marie de Jésus, Sœur Saint Joachim ; Maseran’ny sakramenta masina tao Bollène, Sœur Saint Michel, Sœur Saint André, Maseran’ny fon’i Jesoa, orsolina, ary Masera Madeleina, sistersianina.

Ny 26 jolay : Masera Saint-Augustin, Maseran’ny Sakramenta masina. Masera Catherine, Masera Saint Basile, Masera Claire, orsolina ary Maseran’ny fon’I Jesoa, orsolina

Niankatra ankafaliana teo amin’ny toerana hamonoana azy izy ireo, sady velon-kira no nivavaka ho an’ireo mpanenjika azy, izay nanehoany ny fahasahiany. Nisy relijiozy voafonja folo hafa anefa voavonjy noho ny fianjerany ny 28 jolay, ka afaka soa aman-tsara ny taona 1795.

Ny vatana mangatsiakan’ireo martiry dia natsipy miaraka tao anaty lavaka iray, fasana iombonana, ao amin’ny tanimboly iray ao toerana antsoina hoe : Gabet, izay toerana 4 km miala amin’ny tananan’i Orange, ka io toerana io dia nanorenana lasapely ny taona 1832. Ireo martiry 32 dia nasandratry ny Papa Pie XI ho olon-tsambatra ny 10 mai 1925. Ary ankalazaina isan-taona isaky ny 09 jolay ny fetin’izy ireo ao amin’ny diosezin’I Avignon, valence, Nimes ary Digne.

Entanina ianareo mba hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanelanelanan’izy ireo. Ary amporisihina ianareo mba hampandre izay fahasoavana azonareo amin’ny Postulateur ny diosezy Avignon amin’ity adiresy ity : E-mail